Maro ny tsy fanajan’ny mpitatitra eto an-dRenivohitra ny mpandeha sy ny bokin’andraikitra. Anisan’ny vahaolana ny fampiasana ny teknolojia niomerika, toy ny fandoavana ny saran-dalana amin’ny finday.
Miroso tsikelikely amin’ ny fampanaraham-penitra ny fandrindrana ny fitaterana taksibe. Misy ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny orinasa Carte Passe Partout (CPP) System Madagasikara sy ny Airtel Money hampiasana ny teknolojia niomerika. Voakasik’izany ny hahafahan’ny mpandeha mandoa ny saran-dalan’ny taksibe amin’ny alalan’ny finday, aloa amin’ny Airtel Money. Tsy manome lelavola intsony ny mpandeha. Mividy famandrihana amin’ny alalan’ny Airtel Money.
Tetikasa andrana hanombohana azy, ny zotra 147 D (Ambatomaro-67ha-Ambatomaro) an’ny kaoperativa Tselatra. Miisa 40 ny fiara mpitatitra nametrahana ny fitaovana TPE, ampidirana ny karatra eTIK-Bus, manamarina ny saran-dalana. Nilaza ny tale jeneralin’ny Airtel Money, Randrianarison Heritiana, fa dingana mankany amin’ny fandrosoana amin’ny fikirakirana ara-bola ity fiaraha-miasa
amin’ny CPP System ity. Tanjona, ny hanamorana ny andavanandron’ny mpanjifa, sady mampirisika ny besinimaro hampiasa azy.
Lasa mpiasa raikitra
Araka ny antontanisa ananan’ny CPP System, mahatratra 46 ny kaoperativa eto an-dRenivohitra, ahitana taksibe 3 450. Ho an’ity orinasa ity, raisina ho toy ny mampanofa ny fiarany amin’ny mpamily sy ny mpanampy azy ny tompon’ny fiara, fa tsy hoe mpampiasa sy mpiasa. Satria manenjika vola isan’andro aloa any amin’ny tompon’ireto roa farany. Koa, vahaolana hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny roa tonta ity fampiasana karatra niomerika amin’ ny fandoavana saran-dalana ity. Azo antoka, azo hamarinina ny fikirakirana ny vola, ary azo hanaraha-maso ny fampiasana ny fiara, isorohana an’ireny fihodinana antenantenan-dalana ireny, ohatra. Hipetraka ny fifampitokisana, ary ho lasa mpiasa raikitra ao amn’ny tompon’ny fiara ny mpamily sy ny mpanampiny. Vinavina ny hampiasana ny eTIK-Bus amin’ ny taksibe 800 amin’ny taona 2025, fiara 1 200 ny taona 2026 ary 3 000 ny 2027.
Njaka Andriantefiarinesy