SOMBIM-BAOVAO

Tsy afaka milalao i Sony Laiton, mpiandry tsatoby an’ny Barea de M/car, amin’ny andro fahadimy hikatrohana amin’i Tunisie sy ny andro fahenina hifan­donana amin’i Comores. Noho ny karatra mavo indroa azony nandritra ny fihaonana teo aloha ny anton’izany. Mety hisolo ny toerany izany, i Teva na i Nina.

Taorian’ny fahavitan’ny andro fahefatra amin’ ny fiadian-toerana ho an’ny Can 2025, firenena 8 no efa nahazo ny tapakilany hiatrehana izany. Maroc mpampiantrano, ny Liona-n’i Teranga Senegal, i Burkina Faso, Algerie, ny Liona tsy voafolaka Cameroun, ny Faraonan’i Egypte, Angola ary ny RD Congo.

Hotontosaina etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena, ny alahady 20 oktobra izao ny dingana am­pahavalon-dalana amin’ny «Top 20», taranja rugby. Anisan’ny lalao goavana ny fifanandrinan’ny JST Ambon­drona sy ny FBM Bemasoandro. Eo koa ny an’ny CRAI Ambalavao sy ny AFA Ankazomanga ary ny FTAT Ano­sibe sy FTAM Mandrangombato.

Hisy ny lalao tenisy «circuit», ho an’ny sokajy zandriny U10 sy U12 lahy sy vavy. Fifaninanana karakarain’ny klioba ACSA ary ny fiaraha-miasa amin’ny Federasiona malagasin’ ny tenisy (FMT). Hatao ny 29 oktobra ka hatramin’ny 1 novambra izany.

Partager sur: