TARATRY ny KANTO

Hisy atrikasa ho an’ny hosodoko, izay hotontosaina ny 19 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, eny Antanetisoa Tanjombato. Mahatratra 15 eo ho eo ireo hisitraka izany, izay efa milomano ao anatin’ny hosodoko avokoa. Natao hampitana ny karazana hosodoko toy ny nataon’i Joseph Ramanankamonjy izy ity, no fanomezam-boninahitra azy koa. Miara-misalahy amin’izany ny fikambanana Hay Sary .
“Tra-bajihy 2024”, hotontosaina etsy amin’ny kianja ANS Ampefiloha. Fety lehibe, iarahan’ny zanaky ny faritra Sofia Miray eto Antananarivo izy ity. Hotontosaina ny sabotsy 19 oktobra ho avy izao, izay hafanain-dry Ejema, Dr Lejima 415, René Korodogno, Ras Guerot, Dah-mama, Lego ary i Martin Le Jaguar. Seho maimaimpoana izay mbola arahina fiaraha-misakafo izany, ho mariky ny firaisan-kina hatrany.
Chrysanto etsy amin’ny No Comment Bar. Anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina ny fiarahana amin’ity mpanakanto mpitendry gitara, mpivoy ny mozika avy any atsimo ity. Gadona nentim-paharazana nolaroina mozikan’izao tontolo izao, araka ny efa nahafantarana an’i Chrysanto no hozarainy mandritra izany.
Fampiratiana zavakanto “Chroma”, karakarain’ny fikambanana Plum’art, eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba. Ankoatra ny rantin-tsarin’ireo mpikambana, anisan’ny mandravaka ny hetsika eny an-toerana koa ny atrikasa fampahafantarana sy fampianarana ny fototra amin’ny fanaovana sary isaky ny karazany avy.

Partager sur: