Torolalana “Hay fidy” an’ny TI-IM: “Tokony hampanjakaina ny mangarahara…”

Tafiditra amin’ny fanentanana ho an’ny olom-pirenena, entin’ny Transparency Inter­na­tional – Initiative Madaga­sikara “TI-IM” ny fampahafantarana ny asan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina.
Notsiahivin’izy ireo amin’ilay torolalana “Hay fidy” izany. Nambaran’ny TI-IM fa manana andraikitra iadiana amin’ny kolikoly ireo mpitantana ireo. “Mampanjaka ny mangarahara eo amin’ny fitantanam-bolan’ny kaominina. Mampanjaka ny fitondrana tsara tantana sy ny tamberina andraikitra”, hoy izy ireo. Eo koa ny fametrahana rantsana na rafitra miady amin’ny kolikoly sy ny fanaraha-maso izany eo anivon’ny kaominina, araka ny fampahatsiahivan’ny TI-IM hatrany.
Anisan’ny asan’ny ben’ny Tanàna koa anefa ny fisoloan-tena ny fanjakana eo amin’ny fari-piadidiany. Manomana sy manolotra ny tetibolan’ny kaominina. Manampy izany ny fikarakarana ny sora-piankohonana sy ny kopia nahaterahana.
Notsiahivin’ny TI-IM koa fa andraikitry ny mpanolotsain’ny Tanàna ny mankatoa sy mandany ny tetibola aroson’ny ben’ny Tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy. “Andraikitr’izy ireo koa ny manara-maso ny asan’ny ben’ny Tanàna sy ny ekipany”, hoy ny torolalana “Hay fidy” avy amin’ny TI-IM. Eo koa ny fandraisany anjara amin’ny fanapahan-kevitra momba ny raharaha samihafa eo anivon’ny kaominina.

Synèse R.

Partager sur: