VAOVAO TAMBATRA

Tsy maintsy mivory isan-kerinandro miaraka amin’ny filoha Rajoelina ireo tomponandraikitry ny rano sy ny mpamatsy vola toy ny Banky iraisam-pirenena, ohatra. Hentitra ny nanambarany izany, omaly, teny Man­droseza, mba hanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny famahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina.

Mamotika ny fihariana madinika ny delestazy. Voatery ajanona ny asa, miandry ny fiverenan’ny herinaratra ireo orinasa madinika miankindoha aminy. Mihena ny fidiram-bola ka miantraika mivantana amin’ny fiharian’ ireo mpisehatra. Miteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina ny tolotra ataon’ny Jirama.

Hisitraka famatsiam-bola tsy ho ela ireo mpanamboatra fatana mitsitsy 3M, miisa 14 mianadahy avy any amin’ny faritra Itasy. Niofana mahakasika ny drafitr’asa fandraharahana, ny herinandro teo, izy ireo ka vonona hiroso bebe kokoa eo amin’ny sehatra matihanina sy hampiroborobo ny seha-pihariany.

Nisafidy ny hiompy Tilapia i Dauphin any Brie­ville, distrika Tsaratanàna. Tsapany, taorian’ny fiofanana ara-teknika narahiny ny 15 oktobra teo, fa mety amin’ny fiompiana an-dobo ity karazan-trondro ity, sady sahaza amin’ny toetr’andro any an-toerana. Nahita ny tomponandraikitry ny fitantanam-paritry ny Jono (DRPEB) Betsi­boka, fa mety ny safidiny.

Partager sur: