Ady amin’ny kolikoly: tsy maintsy hajanona eto ny tsimatimanota ?

Mitohy ny fakan-kevitra isan-dohahevitra handrafetana ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly, taona 2025-2030. Ny eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana indray ny atrikasa teny Anosy, omaly.

Ny amin’ny fiarovana sy fitantanana ireo karazam-biby sy hazo sarobidy. “Hita tamin’ny atrikasa hafa, fa misy mifampidipiditra ihany ny resaka: tsy maintsy hajanona eto Madagasikara ny tsimatimanota”, hoy ny filohan’ ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, tamin’ny mpanao gazety. Eo koa ny fiarovana ireo miasa amin’ny fisorohana ny fisian’ny kolikoly. Satria misy ny antsojay, ny valifaty… Eo amin’ny fampitam-baovao momba ny fanondranana an­tsokosoko harena voajanahary arovana izany. Antenaina amin’ny paikadim-pirenena vaovao, aleo ny tena mpiara-miantsehatra no mifanakalo hevitra. Resaka teknika no atao, fa ny fanatanterahana azy no tena sarotra. Iza no hiara-kiasa hanatanteraka amin’izay mety ho soso-kevitra sy torolalana amin’izao ady amin’ny kolikoly manokana izao?

Tsy ampy fiaraha-miasa
Ny paikady taloha, saika ireo rafitra iadiana amin’ny kolikoly ihany no tena hita. Anisan’ny lesoka dia hoe tsy ampy ny fiaraha-miasa ta­min’ny fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Satria, ireo rafitra iadiana amin’ny kolikoly dia any amin’ ny farany na amin’ny fanasaziana. Fa mila fiaraha-mi­asa hatrany am-boalohany. Ny fiarovana ny harena voajanahary dia eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, satria fa­nondranana harena any ivelany. Be dia be ny olona mila mandray anjara amin’ny ady amin’ ny kolikoly amin’izany sehatra izany.

R. Nd.

Partager sur: