Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray mpanao trafikana zava-mahadomelina (cocaïne) tao amin’ny fokontany Andranomadio, Plle 11/43 Toamasina, ny talata teo. Taorian’ny angom-baovao voarain’ny zandary, voamarina tokoa ny toerana misy ity jiolahy ity. Niroso tamin’ny fisavana ny trano misy azy ny zandary. Nandritra izany no nahatrarana cocaïne milanja 10 grama fa ny sasany efa nalatsany tao amin’ny toeram-pivoahana niaraka tamin’ny fitaovana fandanjana cocaïne miisa efatra. Tsy vitan’izay fa mbola nahitana basy poleta iray misoratra amin’ny anarany koa tao an-tranony. Tao anatin’ny famotorana no nilazany fa nanana cocaïne maro izy saingy efa nisy naka tamin’io fotoana io. Nanonona ny anaran’ireo olona nanjifa entana tao aminy ity olon-dratsy ity. Zava-mahadomelina milanja 5 kg no tao an-tranony ka anisan’ireo mpamatsy izany ao Toamasina izy, araka ny filazany tamin’ny zandary. Any ivelany izy no manafatra ny entana. Nambarany kosa fa ampiasainy rehefa manatitra entana io basy io sady ampiasainy koa rehefa manao asa ratsy hafa. Eo am-pikarohana ireo olona mpaka entana ao aminy ny zandary.
J.C