Antsirabe : naverina ny paikady mitety tokantrano hampanao vaksiny

Tsy manaiky ny hanaovana ny vaksiny any an-tsekoly ny tsy miankina. Betsaka koa ny ray aman-dreny tsy marisika. Vokany, naverina ny lamina amin’ny fitetezana any an-tokantrano.

Ho fanomanana ny fanatanterahana ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana amin’ny aretina kitrotro sy poliomelita eny anivon’ny sekoly, efa nitafa sy nanentana mialoha ny talen-tsekoly sy
ny ray aman-dreny ny tomponandraikitry ny CSB II sy ny
ekipany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny mpi­tsabo ao amin’ny CSBII Ambalavato, Dr Rarimanga Tolotsoa Vokadina, omaly. Ho an’ny roa andro voalohany amin’ny fanaovam-baksiny, betsaka ny ray aman-dreny tsy nanaiky ny hampanao vaksiny ny zanany any an-tsekoly. Ho fanatrarana ny tanjona ho an’ny roa andro farany, anio sy rahampitso, hiverina hitety isan-tokantrano ny mpanao vaksiny, ahitana ekipa 16 ho an’ny fokontany 12 mandrafitra ny kaominina. Ho an’ny sekoly katolika manokana ao Antsirabe, ivelan’ny toeram-pianarana no hanatanterahina ny fanaovam-baksiny, araka ny toromarika avy amin’ ny Didec.
Ankoatra ny eny amin’ny CSB, nametrahana toerana fanaovam-baksiny mandritra ny hadimiana koa eny anivon’ ny fokontany sy ny toby fanjarian-tsakafo PNNC, samy
azon’ny renim-pianakaviana sy ny mpikarakara zaza hatonina avokoa. “Manana ny fitaovana fitondrana vaksiny sy ny kojakoja rehetra ilaina ny ekipa tsirairay. Fitaovana avy amin’ny Unicef hatramin’ny vata fampangatsiahana fitehirizana vaksiny ao amin’ny CSB II”, hoy ny rasazy sady tomponandraikitry ny vaksiny, i Volo­lo­nandraina Delhia.
430 580 ny isan’ny zaza latsaky ny 5 taona iantefan’ny fanaovam-baksiny ho an’ny faritra Vakinankaratra ary ny 35% amin’ireo no hanatanteraka ny andiam-baksiny tsy mbola vita hatramin’ny farany. 157 ny CSB mandray ny ankizy hatao vaksiny ary olona 4 172 no miasa ao anatin’ny hetsika. Mampiavaka ny ao Vakinankaratra ny fanampian’ ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny Croix Rouge Malagasy amin’ ny fanentanana ny olona isan-tokantrano hitondra ny zanany hatao vaksiny.

Vonjy

Partager sur: