AVG SY NY BIANCO : nohamafisina ny fiaraha-miasa

Natao sonia, omaly, ny fanavaozana ny fiaraha-miasa eo amin’ny vovonana fiarahamonim-pirenena Alliance Voa­hary Gasy (AVG) sy ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Fanintelony ity fiaraha-miasa hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny sehatry ny harena voajanahary ity, efa natomboka ny taona 2018. Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny AVG, Razaka­ma­narina Ndranto, fa zava-dehibe ny fiarahana miady amin’ny kolikoly, satria mifameno ny fiarahamonimpirenena (OSC) sy ny fanjakana. Efa ataon’ny fanjakana laharam-pahamehana rahateo ny fiarovana ny harena voajanahary. Nohamafisiny fa tokony hojeren’ny fanjakana foibe manokana ny hampiakarana ny tetibolan’ny minisitera misehatra amin’ny tontolo iainana. Satria maro ny andraikitra tokony hataony, nefa tsy ampy ny hoenti-manana, ka izany no mahatonga ny fiarahamonimpirenena manohana, toy izao fiaraha-miasa amin’ny Bianco izao.

Fahavalo ny kolikoly

Etsy ankilany, nilaza ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, fa «tokana ny fahavalo. Tsy olombelona ny fahavalo fa ny kolikoly no fahavalo». Efa eo am-pamolavolana ny Paikadim-pirenena ho an’ny 5 taona manaraka.
Anisan’ny laharam-pahamehana ao ny mahakasika ny harena voajanahary.

Njaka A.

Partager sur: