Basikety – « Road To Bal » : lavon’ny GNBC ny JKT Tanzania, mpampiantrano

Nahazo vokatra tsara nandritra ny fifaninanana “Road to ball”, taranja basikety, izay nanomboka omaly, tany Tanzania, ny Gendarmerie nationale basket-ball club (GNBC). Lavon’ny GNBC, 89 no ho72, ny JKT.

Tsara fanombohana ny ekipan’ny zandary GNBC, omaly, tamin’ity fifanin­tsanana taranja basikety, “Road To Bal”, izay tontosaina any Tanzanie, ity. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 89 no ho 72, ny ekipa mpampiantrano, JKT Stars, omaly, tao amin’ny Kianja mitafon’i Dar-Es-Sa­lam.
Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, azo lazaina fa nifandanja ihany ny lalao, saingy nahazo tombony tamin’ny traikefa ny GNBC. Ny JKT Stars nitarika 20 no ho 15, nandritra ny 10 minitra voalohany na “1ère quart-temps (QT)”. Niezaka nanenjika ny Malagasy mpilalao, teo amin’ny QT faharoa, ka lasa 38 no ho 40, isa nentina niala sasatra. Manantombo ny GNBC Madagasikara. Nan­dritra ny fidirana faharoa (3ème sy 4ème QT), mitarika hatrany ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena: 61 ny JKT Stars ary 66 ny GNBC. Niafara tamin’ny 89 no ho 72 ny lalao, nandresy ny solontena malagasy.

Hifandona amin’i Seychelles
Hitohy anio, any an-toerana ihany, ity fifanintsanana “Road To Bal” ity, ka hifampitana amin’ny Beau Vallon Heat Seychelles, indray ny GNBC. Fifanandrinan’ny sa­my aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Aorian’ity fihaonana ity, hifandona amin’ny Nairobi Thunder, avy atsy Kenya, ny zandary mpilalao, rahampitso, ary eo amin’ny lalao farany, izay hotontosaina ny alahady ho avy izao, hifanintsana
amin’ny Urunani Burundi izy ireo.
Tsara ny mampahatsiahy fa izay ekipa roa voalohany amin’ity “Road To Bal” ity no miatrika ny fifaninanana Elite 16, ny taona ho avy io.

Fitia Randria

Partager sur: