Cosafa – Barea vavy : misy mpilalao mpilaravinahitra enina

Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny Barea, vehivavy. Miisa 23 mirahavavy izy ireo no nantsoin’i Portez l’Hydrensia sy Ramiaramanana Haingomalala Ninette, mpanazatra ny ekipa nasionaly, ka ny enina amin’izy ireo dia milaravinahitra any ivelany avokoa. Ahitana mpilalao mifanintsana any Comores, toa an-dry Ali Suraya, Verosantatra Diana, Marie Sarah, Christina, Sylvia, ary any Allemagne, i Zafisambondaoky Jocelyne.
Tsiahivina fa hiatrika ny fifanintsanana Cosafa, sokajy vehivavy, izy ireo izay hotanterahina any Afrika Atsimo, manomboka ny 22 oktobra hatramin’ny 2 novambra ho avy izao.
Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona “B” no misy ny Barea vavy. Hifan¬dimby hifanandrina amin’ireo Malagasy mpilalao, mandritra izany, i Malawi, Bots¬wana ary i Maurice.
Raha ny fanazavana voaray, ireo firenena voalohany isam-bondrona ihany no tafita amin’ny dingana manaraka, izay manasa-dalana avy hatrany.
Ny 14 oktobra lasa teo moa ny Barea vavy no nanomboka nanao fampivondronana.

F.R

Partager sur: