Mametraka ny paikadiny ny Madagascar Airlines ho an’ny fanitarana sy fampahafantarana azy maneran-tany. Noho izany, miara-miasa amin’ny vondrona Travelport ny orinasa ahafahany miditra ao anatin’ny «systèmes globaux de distribution (GDS) Galileo et Travelport». Manampy sahady ny fiaraha-miasany amin’ny GDS Amadeus ity rafitra vaovao ity. Tanjona ny hampahafantarana ny kaompania eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy hanamafisana ireo tolotra ataony. «Ahafahan’ny orinasa manome ireo tolotra tsara indrindra sy sahaza ny rehetra izao fiaraha-miasa vaovao izao», hoy ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, i Thierry de Bailleul. Notsindriany manokana ny hampifandraisana ny Nosy malagasy amin’izao tontolo izao. Noho izany, hanampy amin’ny fidirana amina tambajotra midadasika misy ireo mpisehatra maherin’ny 68 000 ity paikady vaovao ity. Tafiditra ao anatin’ izany ireo kaompania ana habakabaka maherin’ny 400 isa sy trano fandraisam-bahiny 200 000 mampiasa ny Galileo. Hanampy betsaka ny kaompania Madagascar Airlines ny Travelport, noho izy misandrahaka amina tsena maro aty Afrika, Azia, Eoropa amin’ny alalan’ny Amadeus.
Henintsoa H.