Herinandron’ny Havàtsa-Upem: hisongadina ny tontolon’ny haisoratra sy ny literatiora

Hanomboka ny 22 hatramin’ny 26 oktobra izao ny He­rinandron’ny Havàtsa-Upem, 2024. Hisy, araka izany, ny hetsika ara-kolontsaina maro hanamarihana izany etsy amin’ny Efitrano Dox Tranombo­kim-pirenena Anosy. Hana­son­­gadinana sy hanandratana bebe kokoa ny tontolon’ny haisoratra sy literatiora ma­lagasy ny hetsika. Maro ny hetsika homarihana mandritra izany. Natokana sy hanasana ny rehetra ny hetsika rehetra mandritra ny herinandro, hisy ny resadresaka sy famelabelaran-kevitra amin’ireo mpanoratra momba ny asa soratra sy ny literatiora malagasy, raha ny fanazavana voaray. Ho an’ny talata, hisy ny lanonana fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny boky: “Tombokavatsa sy Tsipelina Fitsiahy”. Ho an’ny Alarobia Miverina, hisy ny resadresaka amin’ireo mpanoratra am-perinasa. Hisy ny seho an-tsehatra ataon’ireo andiany mikalo sy famoahana ny boky: Singo-panahy. Ho an’ny Alakamisy Manavàtsa, hisy ny seho an-tsehatra sy fa­moahana boky ataon’ny mpanoratra Ny Vetso. Izay ao anatin’ny fankalazana ny faha-35 nanoratany. Ho an’ny zoma Misampana, hisy ireo seho an-tsehatra ataon’ireo sampana ao amin’ny fikambanana. Ho faranana amin’ny fitantarana sombintantara sy filalaovana ampahana tantara fisehatra ary fitantarana angano ny fotoana, mandritra ny sabotsy manan-tantara. Tafi­ditra ao anatin’ny fankalazana ny 72 taona ny fikambanana ihany koa ny hetsika.

Mino

Partager sur: