INDRAY MIJERY

Nisitraka “mallettes scientifiques collèges” ireo sekoly niatrika ny fiofanana “BTSL scientifique” sy ireo izay manana laboratoara na trano voaaro ao amin’ny Dren Vatovavy. “Mallettes” 2 ho an’ny Cisco Ifanadiana misy ny CEG Ifanadiana sy ny CEG Kelilalina. “Mallettes” 6 ho an’ny Cisco Mananjary misy ny CEG Mananjary, CEG Tsiatosika, CEG Andranomavo II, CEG Kianjavato, CEG Irondro ary ny CEG Tsaravary.
Arahi-maso ao amin’ny hopitaly HJRA ny
fahasalaman’ireo zaza kambana miraikitra avy any
amin’ny kaominina Soamahamanina, distrikan’i Miarinarivo. Sandaniaina sy Sandanantenaina no ana­ran’izy ireo. Misy fitiliana tsy maintsy hatao izay efa irosoana ankehitriny sy ireo fepetra mila tratrarina mialoha ny fandidiana fampisarahana.
Nanentana ny mpianatra mahakasika ny
aroloza amin’ny fifamoivoizana tamin’ireo sekoly manamorona ny lalam-pirenena faharoa ny ATT. Nohenoina izy ireo hahafantarana ny heviny momba ny fitandremana eny amin’ny arabe. Voakasiky ny fanentanana ny tany Manjakandriana, Moramanga, Brickaville ary Toamasina.
Namaha ny ampahany amin’ny tsy
fahampian-drano, indrindra ny eny amin’ny faritra avo, ny fahatongavan’ireo kamiao vaventy mitatitra izany. Filaharambe manomboka amin’ny 2 ora maraina, mitondra bidon mavo, miandry ny fahatongavan’ny kamiao ny hita eny amin’ ireny toerana ireny. Afaka misitraka rano ny ampahany amin’ireo mponina.

Partager sur: