Miandry vely kanonta…

 

Nanaitra ny fanambarana farany navoakan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na FMI, ny 11 oktobra lasa teo, mahakasika an’i Madagasikara. Teboka iray tsy azo atao ambanin-javatra ny antso avo ataony amin’ny mpitondra fanjakana mba hampihatra ny politikan’ny fitsitsiana. Efa an-dohalika ny ranom-bary raha ny faharitran’ny tahiry ara-dalàna ao amin’ny kitabom-bola an-dRamalagasy. Efa maimaina ny loharano.
Toe-javamisy tokony hampisaina sy hampametra-panontaniana ny olom-pirenena tsara sitrapo sy tena tia tanindrazana izany. Mba nankaiza tokoa ny trosabe hatrizay? Inona ny zava-bita ka nisy fiantraikany tamin’ny fiainam-bahoaka? Hatreto aloha tsy hita be ihany ny fanatsarana sy ny vokatsoa. Miha mahantra ny vahoaka malagasy. Miha lalina ny hantsana manasaraka ny manan-katao, izay saika mpanao politika sy mpitondra ny ankamaroany, sy ny vahoaka madinika.
Inona no hisintonana ny lakolosy any amin’izay teboka saro-pady izay? Fara-faharatsiny mba misy ny etika amin’ny tsirairay. Tokony samy hahatsapa tena fa manana adidy amin’ny ankohonany sy ny firenena. Sehatra roa tsy afa-misaraka raha te ho tafavoaka amin’izao fahasemporana faobe misy eto Madagasikara izao.
Avo lenta ny filalaovana ilay politika iraisam-pirenena. Tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka. Ny zava-misy ankehitriny anefa miampanga fa misy ny toe-javatra tsy mandeha, ilana ny fifohazana faobe mihitsy, raha tiana ny mbola hanavotra sy hampandroso ity Madagasikara malalan’ny olon-drehetra ity.
Saro-pady ny resaka diplaomasia noho ny tsy fahafahan’ny hery ivelany mijabaka. Tsy maintsy ilana ny vely kanonta avy amin’ny mpiara-miombon’antoka angamba anefa vao hisy ny fiovana. Tafahoatra ny tantely afa-drakotra ataon’olom-bitsy sy ny ampihimamba ataon’ny vondron’olona « tsy tia tanindrazana ».

r.r

Partager sur: