Mihorohoro ny ray aman-dreny : iharan’ny herisetran-jiolahy ireo mpianatra

Taorian’ny naharavan’ny polisin’ny Fip ireo tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina, ireo mpianatra indray no iharan’ny herisetra ataon’ireo olon-dratsy. Mihorohoro manoloana izany ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Ny alarobia tolakandro teo, nandritra ny fotoana firavan’ny mpianatra, teo amin’ny rond-point Tanamakoa Toa­masina, nisy andian-jatovo maromaro naka an-keriny ny kitapon’ny mpianatra. Lasan’ireo mpandroba avokoa ny fitaovam-pianarana rehetra. Hatairana ny an’ireo mpianatra ka lasa mandositra avy hatrany, tavela hatramin’ny kapa, latsaka ny satroka. Raofin’ireo olon-dratsy avokoa ny entan’izy ireo. Ranomaso, hikiaka sisa ny an’ireo ankizy mpianatra tamina sekoly tsy miankina iray niharan’izany tao Tanama­koa. Trangana tsy fandriampahalemana amin’ny endriny hafa kely indray, araka izany, no mihatra amin’ireo mpianatra amin’izao fotoana izao. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo ray aman-dreny sasany, vao ny herinandro teo no nisy mpianatry ny Lycée Jacques Rabemananjara nendahin’ny jiolahy telo nitondra fitaovam-piadiana. Tsy lasa lavitra anefa izy ireo ka nifanehatra tamin’ny polisin’ny Fip.

Sajo

Partager sur: