Nanao diaben’ny firaisankina, ho fanamarihana ny «Octobre Rose», ireo mpiara-miasa ao amin’ny vondrona Axian, omaly, tetsy amin’ny Galaxy Andraharo. Ho fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny homamiadan’ny nono izay mahazo ny vehivavy ny antony. Nitarika ny diabe, omaly, ny filoha tale jeneralin’ny Axian, Hassanein Hiridjee.
Ny 38% ny mpiasa amin’ ireo orinasa ao anatin’ny vondrona dia vehivavy avokoa, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, Ratovoson Michael.
Manome lanja manokana ny fiaraha-miasa amin’ny vehivavy ny Axian. Zava-dehibe ny fitsinjovana ny fahasalaman’ izy ireo mba hitondra vokatra sy hampandroso ny orinasany. Fanoitry ny fampandrosoana ny fananana vehivavy salama sy mavitrika ka tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fahasalaman’izy ireny.
Manerana ny firenena 17 aty Afrika no misy ny vondrona Axian ary samy manao hetsika hanamarihina ny “Octobre rose” avokoa. Isaky ny 1km vitan’ ny mpiara-miasa dia androtsahana vola fandraisana anjara hahafahana mamatsy fikambanana misahana ny fitiliana ny homamiadanan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza.
Maimaimpoana ny fitiliana ataon’izany fikambanana izany ka hanentanana ireo mpiara-miasa sy ny vady aman-janany avy. Hahafahana mamantatra ny toe-batana na sanatria ny trangan’aretina ka handraisana an-tanana haingana ny marary ny fitiliana hatao.
Tatiana A