Nosamborin’ny zandarimaria ny vehivavy iray 23 taona voatondro ho namono ny zana-badiny ka tratra tao Soanafindra, fokontany Fenoarivo, kaominina Belobaka, ny 16 oktobra lasa teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa zazalahy 4 taona maty tamin’ny fomba nampiahiahy ny fianakaviany tao amin’io kaominina io, ny 12 oktobra teo. Niara-nipetraka tamin’ilay rangahy vadiny sy io zaza io ity vehivavy ity. Tsy nisy nahalala loatra ny fomba fiainan’izy ireo ny manodidina saingy voamarina tamin’ny loharanom-baovao azon’ny zandary fa nampijalian’io renikeliny io ilay zazalahy. Niafara tamin’ny famoizana aina an’ity farany anefa izany famonoana izany. Niroso
tamin’ny fikarakarana ny zaza maty ny fianakaviany. Nametraka fitoriana sy nangataka hanokafana fanadihadiana noho ny fahafatesana nampiahiahy. Nandositra tany amin’ny ray aman-dreniny kosa ilay voalaza ho renikely. Nidina ifotony ny manam-pahefana ka tra-tehaka izy. Nentina natao famotorana anivon’ny Tobim-paritra Belobaka. Nampiakarina vonjimaika any Tsiroanomandidy taorian’ny fakana am-bavany hiarovana ny ain’ity farany. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.
Tsiferana R.