TARATRY ny KANTO

Tanterahina anio hariva, eny amin’ny Tana Hotel Boutique Antaninarenina, ny fampisehoana “Jazz Night”. Ireo sangany eo amin’ny gadona Jazz eto Mada­gasikara no hanafana ny sehatra mandritra izany fampisehoana izany. Anisan’izany i Solo Andrianasolo, Sanda Ranaivosoa, Tsitohaina Ratsimba ary i Sitraka Ranaivosoa.

Hiavaka kely ny seho eny amin’ny La Tein­turerie Ampasanimalo, anio hariva. Tanterahina eny an-toerana ny fampisehoana “Alim-bavy”, iarahana amin’i Eusebia sy Joyce Mena Makoa ary Aiyana. He­tsi­ka tafiditra ao anatin’ny fanomezana sehatra ny vehivavy sy fanohanana ireo vehivavy mpanakanto.

Hifampizara sehatra eny amin’ny Piment Café Behoririka, anio hariva, i Mahery majika sy Yrinaf. Fampisehoana ahitana fampiaraham-peon’ireo mpihira anisan’ny andrarezin’ny feo. Ho hita mandritra izany ny fihiran’izy ireo ny hirana mpanakanto sy vahiny maro samihafa.

Tsikimboahangy eny amin’ny Fara West Faravohitra. Rahampitso manomboka amin’ny 8 ora alina ity fotoana ity, izay hitetezan’i Tsikimboahangy ireo hira jazz, soul ary Rn’B malaza. Hanotrona azy amin’izany ireo mpitendry mpiaraka aminy, ahitana an’i Tabiha Mahatozo, Sandratra Randia ary Tsitohaina Ratsimba.

Partager sur: