Tarika Rossy: hanao seho mandritra ny telo andro

Tanterahina eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny 25, 26, 27 oktobra 2024, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Rossy. Hetsika ho fampahafantarana ny rakikira izay naparitaka ao amin’ny « Plateforme Moozik ». Samy hahazo ny anjarany avokoa ireo mpankafy ny tarika mandritra ireo fotoana ireo. Hokaloina ao avokoa ireo hira nankafizana sy nahalalana ny tarika hatramin’izay. Ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ny mpankafy ny tarika, Tanjona ny hampahafantatra ny Gentleman Farmer’s sy ny vokatra vokarin’izy ireo.
“Zoma manifika, sabotsy mifankahita ary alahadin’ny fianakaviana”. Fampisehoana intelo alina misesy no hatolotry ny tarika Rossy ny mpankafy azy. Notsindrian-dRahasi­manana Paulbert fa tsy misy resaka politika na fampielezan-kevitra velively ity atao ity fa hetsika ara-javakanto ho an’ny mpankafy ny tarika. Eo ihany koa ny fampahafantarana ireo vokatra trondro, legioma ary hena sy biby fiompy isan-karazany avy amin’ny Gentleman Farmer’s.

Lin

Partager sur: