Tsy nahitana pasipaoro ny roa : Somalianina 15 tratra niondrana antsokosoko

Tratran’ny zandary tao Maromandia, distrikan’Analalava, ny alarobia teo, ireo teratany Somalianina mpiondrana antsokosoko mankany ivelany. Nisy tsy nanana pasipaoro izy ireo.

Ny alin’ny alarobia teo, nahazo angom-baovao ny zandary avy ao
amin’ny tobim-paritra Maro­man­dia momba ny fisiana andian’olona tsy miteny gasy najanon’ny fiara tao Ambodi­manga, fokontany Marovato Atsimo, kaominina ambanivohitr’i Maromandia, distrikan’ Ana­lalava.
Fantatra, nanohy ny diany mankany antafian’ Agnala­gnabe izy ireo. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny zandary ny alarobia alina ka voamarina tokoa ny fisian’ izy ireto. Tratra tao Agnala­gnabe ireo somalianina miisa 15 izay ahitana vehivavy efatra. Nandrit­ra ny famotorana no nahafantarana fa tsy manana pasipaoro ny roa. Tsy mbola tonga tao an-toerana ny vedety haka azy ireo ta­min’io fotoana io. Nentina namonjy ny biraon’ny zandary avy hatrany izy ireo mba hanohizana ny fanadihadiana. Anisan’ireo faritra andalovan’ ireo mpitsoa-ponenana sy mpiondrana antsokosoko ra­ha­teo iny fari-dranomasina amin’iny tapany avaratra iny. Eo koa ny fisian’ireo andian’olona avy eto Mada­gasikara mitsoaka mihazo ny Nosy Mayotte.
Ny fanadihadiana no nahafantarana fa miondrana amin’ ity Nosy ity avokoa ireo olona mikasa hiondrana any Eoropa.

J.C

Partager sur: