Valanaretina kolera : miato ny fitaterana avy any Comores

Mbola mirongatra ny valanaretina kolera any amin’ny Nosy Comores. Nandray fanapahan-kevitra ny fanjakana ny hanakatonana vonjimaika ny sisintany amin’ny fitaterana an-dranomasina avy any an-toerana hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Fantatra izany nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo.
Ny sambo mitondra ireo entana stratejika ihany no mahazo alalana ary tsy mahazo midina ny sambo ireo tantsambo. Tsy maintsy ampiharina ny “chimioprophylaxie” ho an’ireo mpandeha avy any Comores sy firenena hafa tratran’ny kolera amin’ny fahatongavan’ireo sidina iraisam-pirenena rehetra eny amin’ny seranam-piaramanidina Mahajanga.
Hisy ny toromarika alefa any amin’ireo tomponandraikitra misahana ny fiarovana ny sisintany.
Mbola mitohy ao Afrika Atsinanana sy any amin’ny tendron’i Afrika ny valanaretina kolera izay efa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona ary mirongatra indray ao Comores, ankehitriny.
Manara-maso akaiky ny toe-draharaha ny tomponandraikitry ny fahasalamana Malagasy, indrindra ireo firenena manana fifandraisana an-dranomasina sy ana habakabaka amintsika.

Tatiana A

Partager sur: