VAOVAO TAMBATRA

Miisa 11 500 ny efitrano fandraisam-bahiny vaovao haorina, entina hampiantranoana ny vahiny sy ny mpizahatany ho avy eto Madagasikara. Tsy voatery ho mpizahatany mahazatra ny hanjifa azy ireny fa eo koa ny mpandraharaha hampiasa vola aty amintsika. Anisan’ny paikady hanatrarana mpizahatany sy vahiny miisa 1 000 000 mitsidika an’i Madagasikara amin’ny taona 2028 izany.

Hamokatra rano hatrany amin’ny 60 000m3 isan’andro ny toeram-pamokarana mirefy 4ha apetraka eny Amoronankona. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tana Water III, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena izy ity. Hamaha ny olan’ny famatsian-drano amin’ny vanim-potoana maintany ny fotodrafitrasa. Hisy koa ny toeram-pamokarana rano hatsangana eny Ambohi­tri­manjaka, hamokara 40 000m3 sy ny ao Mandroseza 10 000m3.

Apetraka ny drafitrasa nasionaly momba ny fampiroboroboana ny jono madinika an-dranomasina sy an-tanety eto Madagasikara. Jerena manokana ny fomba hitantanana sy ny fampiasana izany ary ny fampitaovana ny mpanjono. Hapetraka ireo fotodrafitrasa hahafahana hampihena ireo vokatra very. Miara-miombon’antoka manatanteraka ity drafitrasa nasionaly ity ny FAO sy ny Task Force izay nandrafitra ny PAN-PP.

Partager sur: