Vita ny sonia fifanarahana ny hanokafana ny “Maison de la Vanille de Madagascar, teo amin’ny masoivohon’i France, Arnaud Guillois, sy ny filohan’ ny vondron’ireo mpanondrana lavanila eto Madagasikara (GEMV), Georges Geeraerts,” etsy amin’ny Maison Jean Laborde Andohalo. Malaza maneran-tany noho ny kalitaony sy ny hatsarany ny lavanila malagasy, antony hanomezana sehatra manokana azy sy ampahafantarana ny rehetra ny vokatra. Hisy ny toeram-pampirantiana hanehoana ny fomba fambolena sy fanodinana ny lavanila hitarafana ny fahaiza-manaon’ireo mpamokatra eto an-toerana. Hisy koa ny famelabelaran-kevitra sy atrikasa ary hetsika ara-kolontsaina hifampizarana amin’ny rehetra eny an-toerana ho fampahafantarana ny lavanila malagasy. Ankoatra izay, azon’ny mpitsidika atao ny mividy lavanila tsara kalitao sy ireo vokatra azo avy aminy. “Resy lahatra izahay fa hanampy amin’ny fahalalana ny lavanila natoraly eto Madagasikara izao hetsika izao ary hankalazana ny hatsaran’ity vokatra sangany ity eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy ny masoivohon’i France sy ny GEMV taorian’ny fanambarana nataony. Marihina fa nanotrona ny lanonam-pifanaovan-tsonia ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David.
Tsiahivina fa vavolombelon’ny fotoana nanorenana trano hazo eny amin’ny la Haute-ville ny Maison Jean Laborde, antony nametrahana ny tetikasa eny an-toerana.
Henintsoa Hani