Delestazy : nampahafantarina ny tranga hamehana

Ankoatra ny olan’ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina, mitoetra koa ny lafiny famatsian-jiro. Nambaran’ny filoha Rajoelina, omaly, ny tranga noho ny hamehana, “cas d’urgence”, amin’ny herinaratra.

Nivory niaraka tamin’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nanatrika tao koa ny mpisehatra rehetra amin’ny angovo sy ireo mpitantana ny Jirama. Votoatin’ny fotoana ny fikarohana vahaolana mahakasika ny lafiny herinaratra, indrindra ny olana sedrain’ny Jirama.
Navoitrany fa mahatratra 250 tapitrisa dolara isan-taona ny fanampiana ara-bola omen’ ny fanjakana ny orinasa Jirama. Midangana izaitsizy izany ho an’ny vahoaka, fa indrindra ho an’ny orinasa indostrialy ihany koa. Mitovy amin’ny fandaharanasa ho fampiasam-bola ho an’ny vahoaka (PIP), hanaovana asa fampandrosoana voafaritry ny tetibolam-panjakana izany vola izany, izay mi­tentina 252 tapitrisa dolara ho an’ny minisitera rehetra. Noho izany indrindra no nandrai­sana ny fanapahan-kevitra hanambarana fa napetraka ny tranga manokana noho ny hamehana eto amin’ny fire­nena, mahakasika ny lafiny herinaratra. « Hanara-maso akaiky ny fanatanterahana izany ny tenako », hoy ihany izy.
Miisa roa ny tetikasa va­tsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, ny Lead sy ny Decim. Tafiditra ao anatin’ny Lead ny fampidiran-jiro mora sy fiza­rana kojakojan-jiro (kits) miisa 440 000 ho an’ny tokantrano sahirana, satria tsy mbola mi­sitraka jiro ny 70% ny Mala­gasy. Fizarana fitambarana kojakoja jiro (kits) kosa ny tetikasa “Decim”. Tanjona ny hisitrahin’ny mponina kits miisa 800 000. Mahatratra 1 240 000, noho izany, ny olona hahazo ireo kojakojana jiro ireo.
Nomarihin’ny filoha fa mila hafainganina daholo ny fanatanterahana ireo fandaharanasa roa ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: