“Embana” : sidina am-poezia etsy amin’ny CGM Analakely

Kalo Fanomezana, Nirihaja, Tiavina ary Haingohaja. Andriambavilanitra efatra natambatry ny poezia ary mpiray faribolana ao amin’ny Sandratra izy ireo. Hisidina am-poezia, araka ny filazan’izy ireo azy, amin’ny alalan’ny “Embana” ny sabotsy 26 oktobra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CGM Analakely. “Ny hoe Embana dia fitenim-paritra iray izay midika hoe sidina raha amintsika, toy ny helatra, misidina ambony”, hoy ny famaritana nomen’i Kalo Fanomezana, nandritra ny resadresaka nifanaovan’i Toetra Rajà taminy, izay nivoaka tao amin’ny Poetawebs. Fifan­dimbiasan’ny ombon-kalo, Antsa tononkalo ary Tsan­gantononkalo ny hetsika, raha ny fanazavana hatrany. Samy hitondra ny sanganasany izy efatra mirahavavy, ka ireny no alahatra manaraka ny lohahevitra. Eo hatrany ny fitiavana sy ny tontolony, fa tsy izay ihany anefa ny lohahevitra amin’ny maha poezia azy, raha ny fanazavana hatrany. Hisy endri-tseho hafa kokoa noho ny mahazatra, araka izany.

Zo ny Aina

Partager sur: