EPP Ankadinandriana: nisitraka fanampiana avy amin’ ny Groupe Andriantsitohaina

Nanatanteraka asa sosialy teo anivon’ny Sekoly am­baratonga fototra (EPP), tetsy Ankadina­ndriana ny Groupe Andriantsito­haina Media (GAM), omaly maraina. Na­hitana fitaovam-panoratana, kahie 500 isa ny tolotra. Nisitraka ny tolotra ireo mpianatra 309, indrindra ny kilasy T4 sy T5 eo anivon’ity sekoly ity. “Hetsika nanehoana ny fahavononan’ny vondrona GAM ha­nampiana ny sehatry ny fanabeazana”, hoy ny mpitantana ny RSE eo anivon’ny vondrona, Rabehaja Prisca.
Manampy ny ray aman-dreny amin’ny fanenana ny fandaniana ny hetsika toy izao. “Manampy betsaka ny fanampiana tahaka izao satria miaina ao anatin’ny fahasahiranana avokoa ny 60%-ny ray aman-dreny tsy afaka manome fitaovam-pianarana ho an’ny zanany », hoy ny talen’ny EPP Ankadinandriana, Ranaivoa­risoa Yrina Seheno. Noho ny tsy fananana fahafahana mividy noho ny halafon’ny vidim-piainana ankehitriny. Ny fahatsapana izany rehetra izany ny antony nanaovana ny hetsika. Natao hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany ny tena tanjon’ny hetsika. Eo koa ny hahafahana manampy ireo mpianatra amin’ny lafiny fanabeazana. Mandany vola tsy latsaky ny 50 000 Ariary isaky ny ankizy iray ny ray aman-dreny amin’ny fividianana fitaovam-pianarana.

Mino

Partager sur: