Fanadiovana faobe

 

Tao anatin’ny herinandro maromaro, nahoraka sy nahazo vahana teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny aretina hafahafa. Sekoly vitsivitsy, mpianatra maromaro no voalaza fa tratry ny ambalavelona. Aretina tsy misy atahorana raha ho an’ny mpitsabo ara-tsiansa. Heverina ho toy ny aretina androbe, azo tsaboina. Tsy misy atahorana, tsy misy tokony hampiahiahy ny ray aman-dreny sy ny mpianatra.
Raha amin’ny finoan’ny Malagsy indray, toe-javatra tena ilana fahamailoana. Mila fitandremana goavana satria tsy aretina toy ny aretina rehetra. Heverina ho « mosavy » na ankasomparana amin’ny alalan’ny « ody gasy » izany. Mifototra amin’ny resa-pinoana sy ny finiavana hanohitra azy amin’ny alalan’ny hery miafina sy tsy takatry ny saina. Ady ara-panahy goavana. Tsy mahagaga raha hihazakazahana ny fandroahana devoly. Ifampitadiavana ny mompera, ny pasitera sy ny mpiandry.
Na inona na inona anefa zava-misy, mila fanadiovana faobe ny tontolo ara-tsaina sy ara-panahy ho an-dRamalagasy. Diso tafahoatra ny fikorontanana ateraky ny andavanandrom-piainana izay feno fahalovana sy fahasahiranana mihoapampana. Tsy mahagaga raha maro ny mihovitrovitra sy atsipatsipaky ny aretin-tsaina. Manginy fotsiny ny resaka hanoanana izay mitarika ho amin’ny faharefoana. Zary mora andairan’ny olana, andaniny. Ambakain’ny fandemen-tsaina ankilany.
Manoloana izany, tiana ihany ny mba hanaitaitra ny olom-pirenena isan-tsokajiny. Tsy ampy ny mijonjorombona, miaina fotsiny amin’izao. Mitaky fahatongavan-tsaina, miharo fifohazam-panahy lehibe izany. Tsy voatery hirona na hiditra amin’izao karazan’antokom-pinoana rehetra misy izao. Ampy ny fahatahorana ilay Andriamanitra Andriananahary, efa ninoana fahiny. Ilay nandrindra sy nampilamina ny fiarahamonina malagasy hatrizay.

r.r

Partager sur: