Fomba maha malagasy : hampahafantatra momba ny Fanompoambe ny Pr Rabesa Zafera

Anisan’ny fantsona iray mitondra any amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanajana ny kolontsaina. Maro anefa ny Malagasy tsy mbola mahafantatra ireo fomban’ny razambe tany aloha. Izany indrindra no anton’izao velakevitra ho fampahafantarana ny Fanompoambe izao.

Tanterahina anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny velakevitra mahakasika ny fomban-drazana fanaon’ireo foko Sakalavan’i Boina. Ny Profesora Rabesa Zafera Antoine, mpampianatra mpikaroka, no hitondra izany velakevitra izany. Anisan’ny tena hisongadina manokana ao anatin’izany ny fampahafantarana ny Dady sy ny Fanompoambe fanaon’ity foko ity. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampahafantarana ireo fomba maha Malagasy, indrindra ho an’ireo taranaka aty aorina, mba hampiroboroboana izany.
Hisy ny fampahafantarana misimisy kokoa mahakasika ny Fanompoambe, iarahana amin’ny Profesora Rabesa Zafera Antoine. Anisan’ny horesahina mandritra izany ny niandohany, ny mampiavaka azy, ny fizotrany sy ny hevitry ny zavatra atao rehetra mandritra izany, araka ny fikarohana nataon’ny Profesora Rabesa Zafera Antoine. Ny Fanom­poambe izay lanonana nentim-paharazana malagasy any amin’ ny foko sakalavan’ i Boina, izay natao hampandroana ny Dady, izany hoe, ny ampahany notehirizina avy amin’ ny vatan’ ny mpanjaka efa niamboho, toy ny nify sy volo ary hoho avy amin’ ny mpanjaka efatra lehibe An­driamisara, Andriandahifotsy, Andriamandisoarivo ary Andriam­boniarivo. Tantera­hina isan-taona amin’ ny volana jolay, mandritra ny herinandro, ao amin’ ny Doany Miarinarivo izany fankalazana izany.
Anisan’ny fomba amam-panao be mpanao sy maro mpanaraka ny Fanompoambe amin’izao fotoana izao. Ankoatra ireo taranaky ny sakalavan’i Boina, maro ireo Malagasy avy amin’ny faritra sy ny foko hafa mangata-pitahiana sy fanambinana amin’ireo Dady sy Zanahary mba ho fanatsarana ny fiainana.

Lin

Partager sur: