INDRAY MIJERY

Nihaona tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireo mpitantana ny paompy eto Antananarivo. Tanjona ny hanatsarana ny fitantanan-drano ka nametrahana ny fandaminana sy ny toromarika vaovao. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny ora fampiasana ny paompin-drano, ny fametrahana “chef de zone” mifandray mivantana amin’ny CUA, ny fanaovana tatitra isam-bolana momba ny fitantanana ny rano sy ny fidiovana.
Natomboka teny amin’ny EPP Volosarika ary nitohy tetsy amin’ny EPP Andravoahangy I ny fizarana fanampiana ho an’ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana, omaly. 95 mianadahy ireo ankizy nisitraka izany. Nozaraina koba, poabary, lovia, sotro, solaitra, cahier, ary kapa izy ireo.
Mandeha ny asa fanamboarana lavadrano amin’izao fotoana maha krizy ny rano eto Antananarivo izao. Mila tsy haharaka ireo matihanina sy mahatoky amin’izany asa izany. Manana ny fahaizany manokana mijery ny toerana mety hahazoana rano ireny mpanao lavadrano ireny na tsy mapiasa fitaovana arifomba aza.

Partager sur: