Nanapa-doha : mpampianatra iray maty voatifitry ny zandary

Rotiky ny balan’ny zandary ny mpampianatra iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanapahan-dohana mpampivelona tao Nosilava Farafangana, ny alakamisy teo. Nentiny ny lohan’ity renim-pianakaviana ity raha najanony ny vatany…

Lavon’ny balan’ny zandary tao Nosilava Ambohi­mandroso, distrikan’i Fa­rafangana, ny alakamisy teo, ny mpampianatra mpanampy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana. Nota­pahin’ity lehilahy ity ny lohan’ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany. Mpampianatra mpanampy amina sekoly iray ao an-toerana ity lehilahy namono olona ity. Nisehoana fanafihana tao Ambalarano Nosilava, ny 15 oktobra 2024 teo. Mpampivelona iray no tapa-doha nandritra ity fanafihana ity. Naratra mafy koa ny renim-pianakaviana iray hafa tao anatin’io fanafihana io. Nentin’ireo dahalo ny lohan’io renim-pianakaviana io raha navelany tao an-tranony ny vatany. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny zandary. Lehilahy telo sy vehivavy iray voasambotry ny zandary. Fantatra fa nampiantrano ilay mpampianatra nanapa-doha ireto olona no­samborina ireto. Niroso tamin’ny fikarohana ity mpam­pianatra nahavanon-doza ity ny zandary. Tratra ihany anefa izy, ny alakamisy teo. Tao anatin’ny famotorana no nilazany fa nanapaka lohan’olona tokoa izy. Teny an-dalana hanoro ireo toerana misy ireo namany ity mpampianatra ity no nitsoaka tampoka. Maty tsy tra-drano voatifitry ny zandary izy.

J.C

Partager sur: