Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy iray nangalatra vomanga teny an-tsaha, tao amin’ny fokontany Fenoarivo, kaominina ambanivohitr’i Besakoa, distrikan’i Bekily, ny alakamisy alina teo. Tratran’ny tompom-boly izy tamin’io alina io satria matetika very ny vomanga maniry eny an-tanimboly ka nahatonga azy nanara-maso ireo mpangalatra ahina ho tompon’antoka amin’izany. Nanohitra sady nikasa hamono ny tompom-boly ka voatery niaro tena izy. Niantso vonjy tamin’ny fokonolona ilay raim-pianakaviana tompom-boly. Fotoana fohy taorian’izay, vory lanona ny fokonolona ka nitondra azy hatolotra ny zandary. Teny an-dalana anefa samy nidaroka nanala ny hatezerany tamin’ity mpangalatra ity ireo fokonolona. Maty teny an-dalana vokatry ny daroka mafy nahazo azy teo amin’ny lohany izy. Nampandrenesin’ny olona ny fianakaviana ka nilaza teo anatrehan’ny fokonolona fa efa narian’izy ireo ity lehilahy ity noho ny asa ratsy maro efa vitany. Tonga nanao fizahana ny razana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera miasa ao amin’ny hopitaly Bekily. Ny fokonolona teo an-tanàna no nandray an-tanana ny fandevenana azy. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.
J.C