Rugby – «Top 12 Mada» : very izay resy eo amin’ny Besetroka sy Ankady

Hitohy rahampiso, etsy amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena “Top 12 Mada”, taranja rugby. Anisan’ ny fihaonana goavana ary hiendrika famaranana kely ny an’ny USA Ankadifotsy (Anka­dy) sy ny UAS Cheminots (Be­setroka).
Very mantsy izay resy eo amin’ny roa tonta. Midina any amin’ny D2 amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Hango­traka, araka izany, ny lalaon’izy ireo. Fileovana samy manana ny fahaiza-manaony ny andaniny sy ny ankilany. Besetroka matanjaka ao anaty “avant” raha mailaka sy faingana kosa Ankady amin’ny filalaovana amin’ny “trois quart”. Ho lavo, araka izany, izay ratsy fanomanana sy diso paikady eo.
Ankoatra izay, hanohitra ny Cosfa (Bebaoty) indray ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Hanala vela rahateo ry zareo Anatihazo amin’ity. Tsara ho fantatra fa misy mpilalaon’ Anatihazo, mandrafitra ny Cosfa, amin’izao fotoana izao, toa an’i Mbola sy i Ginot. Mialoha io no hifanandrina ny Mang’Arts sy ny STM (Sa­vony).
Hatao mialoha io ny ampahavalon-dalana amin’ny “Top 20”, hifandonan’ny Rosa sy ny US Ikopa. Etsy amin’ny kianja Malacam kosa no hifampitana ny CRAI sy ny AFA ary FTAT sy ny FTAM ary ny an’ny JSTA sy FBM. Ho fantatra eo izany ireo ekipa tafita amin’ny ampahefa-dalana amin’ity “Top 20”, ity.

Tompondaka

Partager sur: