SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio ary hitohy rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny amboara « Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA) », taranja baolina kitra. Lalao 8 no voalahatra amin’izany ka 4 hatao anio ary rahampitso ny 4 ambiny.

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fifaninanam-pirenena, taranja handball, sokajy Sénior, lahy sy vavy. Hanana ny lanjany lehibe izany satria hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI) izay ho tompondaka eo.

Hatao anio, ao amin’ny torapasika Hurghada, ao Egypte, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja beach-soccer. Hiady lohany amin’izany ireo firenena 8, ahitana an’i Egypte mpampiantrano, Maroc, Tanzanie, Ghana ao amin’ny vondrona “A” ary Senegal, Mozambique, Malawi, Mauritanie, sokajy “B”.

Nosongonan’ny Coelacanthes Comores ny filaharan’ny Barea ao amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa) sy ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf ). Faha-108 i Comores, raha faha-109 ny Barea eo amin’ny filaharana maneran-tany. Faha-24 ry zareo kaomorianina eto Afrika raha faha-25 ny Malagasy.

Partager sur: