TARATRY ny KANTO

Tanterahina ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana « Invitation Aux Temps » tontosain’i Finoana Ratovo Andriantseheno. Hosodoko sy sary sokitra maneho fiarahamonina anjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fitoviana no hasehony ao anatin’izany.

Hiaka-tsehatra ao amin’ny IFM Analakely, anio, mandritra ny hetsika « Focus Fantasia », ny Magic Squad. Fampisehoana ny fahaiza-manaon’izy ireo eo amin’ny tontolon’ny majia no atao mandritra izany. Anisan’izany ny hakingan-tanana sy ny mentalisme. Maimaimpoana ny fampisehoana saingy natokana ho an’ireo mihoatra ny 12 taona ihany izany.

Tontosaina, anio, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, ny hetsika “Mozika mikolo saina, tsy misy efitrefitra, ho an’ny fanabeazana”. Hetsika karakarain’ny Lofo Madagasikara. Mpanakanto maro samihafa miisa 10 no hifampizara sehatra mandritra izany. Tanjon’ny mpikarakara ny hanambatra ho iray ny mozika sy ny mpanakanto.

Hanatanteraka fampisehoana eny amin’ny 44 Bistrot Tsaralalàna, anio alina, i Mafonja. Hanakoako eny an-toerana ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay. Anisan’izany ny “Angivy”, “Very”, “Mon soleil” sns. Fotoana lavalava no tsy nahitana an’i Mafonja niaka-tsehatra. Antenaina, araka izany, ny hisian’ny seho miavaka sy hahafapo ny mpankafy.

Partager sur: