Teknolojia niomerika : azo aloa amin’ny finday ny fiantohana

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana teo amin’ny orinasa fiantohana Ny Havana sy ny Airtel money. Nanatanteraka izany ny tale jeneraly (DG) ny Airtel money, Randrianarison Heritiana, sy ny DG ny Ny Havana, Razakamanana Nanja­tiana. Azon’ny rehetra atao ny mandoa ny saran’ny tolotra fiantohana ao amin’ity orinasa ity amin’ny Airtel money.
Mitovy ny fijerin’ny roa tonta amin’ity fiaraha-miasa ity. Mampiroborobo ny fampiasana ny teknolojia niomerika eo amin’ny fikirakirana ara-bola amin’ny fomba tsotra nefa azo antoka ary haingana.
Tanjona ny hanamorana ny filan’ny mpanjifa amin’ny lafiny fiantohana, toy ny tranga tampoka mety hiseho, amin’ny loza fifamoivoizana, ny fahasalamana, ny fahaverezan-javatra, sns. Aloa mivantana amin’ny Airtel money ny latsakemboka fian­tohana, tsy mila manatona ny masoivohon’ny Ny Havana
intsony.
Nambaran’ny tale jeneraly (DG) ny Airtel money, fa « ho mora sy haingana ho an’ny mpanjifa ny fampiasana ny teknolojia niomerika, sady tsy mifidy toerana. Afaka misitraka izany ny rehetra, hatrany amin’ireo monina ambanivohitra sy lavi-toerana aza».

Njaka A.

Partager sur: