Mateti-piseho ny tranga hafahafa eny an-tsekoly: mitsipatsipaka sy torana ny mpianatra. Misy milaza fa ambalavelona. Ny sekoly sasany manamafy fa loza na hanoanana. Mila mailo sy mitandrina!
Mpianatra miisa folo indray torana tetsy amin’ ny sekoly iray etsy Mandroseza, omaly maraina. “Fofona entona mahery no nitarika ny voina. Niparitaka vetivety io fofona io ka tsy zakan’ireo mpianatra”, araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany maraina, niakatra io fofona entona io. Tsy nahazaka anefa ireo mpianatra ka nisesisesy ireo safotra tsy nahatsiaro tena. Tsy nahazaka ny fahitana ireo namany hafa ny ankamaroan’ ny sasany. “Nikiakiaka nitomany, sempotra, torana ireo mpianatra izay niisa folo”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Noravana avy hatrany ny fampianarana. Nivoaka ny trano fianarana ireo efa tao an-dakilasy. Nisy tamin’ireo ankizy efa nivoaka ivelan’ny sekoly narary tampoka ka niverina niditra. “Amin’ny ankapobeny, ankizy manana aretina amin’ny taovam-pisefoana ireo lasibatra ireo ary manodidina ny folo eo izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny nanatri-maso. Notsaboina teo no ho eo ireo zaza. Manodidina ny 12 hatramin’ny 16 taona ireo safotra.
Tranga telo
Tao anatin’ny iray volana, tranga hafahafa miisa telo no niseho teto an-dRenivohitra. Taorian’ny fisiana andiana mpianatra safotra tampoka teny amin’ny sekoly iray teny Itaosy, izay voalazan’ny tomponandraikitry ny sekoly fa azon’ny “spasmophilie” ireo zaza, toeram-pianarana iray teny Soavina koa nitrangana toe-javatra tsy mifanalavitra tamin’izany. Omaly, ity nisehoana tranga izay saika mifandraika amin’ireo voalaza ireo. Tsy fantatra mazava ny tena misiterin’ity tranga ity hatreto. Ilaina fahamailoana hatrany ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra. Anisan’ny tomponandraikitra feno ny sekoly, izay manao fanorenana mety amin’ ny toerana tsy araka ny fenitra. Fehiny, mila mailo sy mitandrina avokoa ny rehetra!
Tsiferana R.