VAOVAO TAMBATRA

Miisa 35 ny fandavahan-drano lalina hatao eto Antananarivo sy ny manodidina. Misy ny vaovao ary eo koa ny hasiana fanatsarana. Mahatratra 1000 m3 isan’ andro ihany koa ny rano taterin’ny fiarabe hamenoana ny sinibe miisa 150 napetraka eny amin’ny fokontany. Efa nidina ho 50 ny salanisan’ny daba mavo milahatra eny amin’ny paompy tsirairay amin’ny ankapobeny.

Miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo ny 70% ny tokantrano malagasy mandritra ny taona. Mandray anjara feno amin’ny tanjona iombonana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny Tahirim-bola ho fampiroboroboana ny famokarana (FDA), amin’ny alalan’ny tohana ara-bola ny tetikasan’ny mpamokatra. Maha­tratra 3 tapitrisa Ar ny tohana omeny ny tantsaha raha famatsiam-bola hatrany amin’ny 60 tapitrisa Ar ho an’ny vondron’ny tantsaha.

Hitombo 4,5% ny toekarena eto Madaga­si-kara, amin’ity taona ity, amin’ny alalan’ny tohana azo avy amin’ny fambolena, ny fitrandrahana ny harena
an-kibon’ny tany, ny indostria ary ny fifandraisan-davitra, raha ny vinavina nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Nambarany fa hiakatra 3% ny toekarena ho an’i Afrika atsimon’i Sahara, raha heverina fa hiakatra 4,8% ny tahan’ny fidangan’ny vidim-piainana.

Partager sur: