Atrik’ady marolafy

 

Miatrika ady i Madagasikara amin’izao? Voalohany sy lehibe ary tsy vaovao amin’izany ny ady amin’ny fahantrana. Saika miara-dalana amin’izany ary anisan’ny vokatr’izay fahantrana izay ny ady sasany hafa rehetra. Eo, ohatra, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny ady amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, ny ady amin’ny kolikoly… Manampy trotraka ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Eo koa ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano, ny ady tany tsy mahafa-bela… Ady marolafy?
Ady fiady avokoa izany rehetra izany. Tsy misy azo ihodivirana, tsy misy tsy manana izay mety ho tandrify azy, tsy misy mahazo mihalangalana… Na ny isan-tsehatra io, na ny isan’ambaratonga. Indrindra izay hoe tomponandraikitra mivantana… Natao hamaha olana, fa tsy izay tsy mahavaha olana indray no lasa olana, sanatria. Misy izany? Mahavariana sy mahavalalanina, ohatra, fa misy ny mitaraina avy hatrany dia any am-bovonana. Na any amin’ny mpitondra fanjakana fara-tampony… Nahoana? Tsy fifampitokisana no antony, na misy ny angady tsy mahatapaka ahitra, na tsy mihaino fitarainana…
Marolafy anefa ny ady atrehina na ny olana. Ifampiandrasana lava amin’iza na amin’ny inona? Izay no anisan’ny mahasarotra sy mahamafy ary mahaela ny fampandrosoana: iandrasana baiko ny famahana olana? Tsy misy hoe vaovao firy anefa ny ankamaroan’ireo olana, fa ny teo ihany no mivadibadika, mihamitombo sy mihalalina aza fa tsy vahana… Mba hisy amin’izay ny fiovana sy fanovana fomba fiasa? Na iza marina no manao inona, aiza ary mankaiza… Mba tsy hisian’ny fivangongoan’ny famahana olana izay. Mby amin’izay ohabolana vahiny iray izay hoe raha samy manadio ny tokotaniny ny isam-baravarana, madio ny tanàna. Raha madio ny isan-tanàna, madio ny firenena. Mby aiza? Marolafy ny ady atrehina amin’izao…

R. Nd.

Partager sur: