« Eto ry Lala » : Seho hanasongadina ny hiran’i Therack

Fampisehoana tsy fahita firy! «Comédie musicale» izy io. «Ny hiran’i Therack no tena hibahana ao anatin’ny fan­daharam-potoana. Nahoana moa no natao comédie musicale ? Satria ny hirany mihitsy no mirafitra ho théâtre. Na­noratra pièces théâtrales rahateo izy», hoy Ratsifa. «Eto ry Lala», seho hotanterahina ao amin’ny Havoria auditorium Anosy, ny 27 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany folakandro.

Ny tarika Ny Voamainti­lany no hampahatsiahy indray ireo sanganasan’i Therack Ramamonjisoa. Eo ihany
koa i Benny sy i Voara. Elanelanin’ny antsa tonon­kalon’i Avelo Nidor sy Ratsifa. Anisan’ny hampiavaka ity fampisehoana «Eto ry Lala» ity ny fandraisan’anjaran’ireo taranak’i Therack Rama­monjisoa amin’ny hira. Izy ireo rahateo no manolotra sy mikarakara ny seho.

Raha tsiahivina, anisan’ny nanoratra tantara filalao eny an-tsehatra nanana ny lazany i Therack. Anisan’ireny ny «Kilalaon’afo», «Rabemanga­hazo»… Ho fahatsiarovana ny faha- 50 taona nahafatesan’i Therack sy ny faha-40 taona nahafatesan’i Joseph Rama­nakamonjy (hosodoko) no ikarakaran’ireo taranany ny fampisehoana «Eto ry lala» sy atrikasa arahina fampirantiana hosodoko.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: