Fahasalaman’ny biby : niampy 30 ireo « épidémiologistes »

Nisitraka mari-pankasitrahana, ny zoma teo, ireo « épidémiologistes de terrain » vaovao miisa 30. Hifantoka amin’ny fitiliana ireo aretina izay mety hahazo ny olona sy ireo biby fiompy ireto mpisehatra ireto. Nakatona tamin’ny fomba ofisialy, nandritra io fotoana io ihany koa, ny atrikasa fanofanana momba ny fikojakojana ny fitaovana natao ho an’ny laboratoara any amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina. Nisy ny fampitaovana an’ireo tomponandraikitra ara-pahasalamana eto Madagas­i­kara ary miisa 12 ireo mpiofana nisitraka izany.

Ankoatra izay, nahazo fampitaovana mitentina hatrany amin’ny 5,5 miliara Ar avy amin’ny AFD sy ny Vondrona eoropeanina ireo mpiahy ny fahasalaman’ny biby. Marihina fa mitotaly 119 ankehitriny ireo « épidémiologistes de terrain » eto Madagasikara. Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambelena sy ny fiompiana izy ireo, amin’ny alalan’ireo teknisianina sy veterinera miahy ny fahasalaman’ny biby.

Henintsoa H.

Partager sur: