Nifarana omaly ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana ny ankizy amin’ny aretina kitrotro sy lefakozatra ho an’ny faritra 23.
«Nohamafisina ny paikady ka naverina indray ny fitetezana tokantrano, ny faran’ny herinandro teo, hatrany amin’ny efitrano fiangonana efa nanaiky ny fiaraha-miasa tamin’ny ekipa mpanao vaksiny, hoy ny mpitsabo lehiben’ny CSB II Tsarasaotra, distrika Antananarivo Atsimondrano», Ravalison Marie Chantal. Nampiharina avokoa ny paikady ahatrarana ireo tanjona napetraka ka handrakotra ny 95% ny tahan’ny ankizy latsaky ny 5 taona vita vaksiny. Rehefa mitety tokantrano, omena ilay vaksiny atete ao am-bava ilay zaza hiaro azy amin’ny lefakozatra. « Raha manana ankizy 9 volana no ho mihoatra kosa ny fianakaviana, entanina hanatona ny CSB II na ny toby Fafi mpikarakara ny zaza sady natao toerana fanaovam-baksiny nandritra ny hetsika faobe satria mbola hisitraka ilay vaksiny VAR atsindrona eo amin’ny sandry », hoy ny mpanentana ara-pahasalamana, Ramanisaholisoa Aina.
Mazoto ny olona ary tsy nahitana olana ny fandresen-dahatra ny ray aman-dreny hitondra ny zanany hatao vaksiny. Akaikin’ny sekoly rahateo ny toerana fanaovam-baksiny ho an’ny mpianatra madinika.
Naharitra hadimiana ny asa ary tanjona ny hahavita vaksiny miaro amin’ny kitrotro zaza sivy volana ka hatramin’ny 59 volana maherin’ny 4 721 333. Tokony haharakotra ny 95% ireo kilonga ireo ny fahavitan’ny vaksiny hisorohana ny fisehoan’ny valanaretina kitrotro indray.
Ho an’ny vaksiny miaro amin’ny lefakozatra, zaza (vao teraka -59 volana) miisa 5 546154 no hiantefan’ny fatram-baksiny, 95% koa ny tanjona tratrarina. Ho an’ny fanaovam-baksiny fanatrarana ireo vaksiny tsy mbola vita, ankizy 1 224 773 no hahazo izany ka tokony hahavita ny 35% mandritra ny dimy andro.
Vonjy