Namoaka ireo fepetra sy masontsivana tokony ho fantatry ny olom-pirenena ka mendrika ny ho ben’ny Tanàna ny eo anivon’ny Transparency International – Initiative Madagascar. Nambaran’izy ireo, tamin’izany, fa tokony hofantarina tsara ireo ho kandidà.
Azo antoka sy azo itokisana ireo mpiara-dia amin’ilay kandidà, araka ny fijerin’ny TI-IM. “Manana ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana ary ny haitarika. Tokony ho mora ifaneraserana sy ifanakalozan-kevitra”, hoy izy ireo.
Momba ny fandaharanasany kosa, tokony hifandraika amin’ny filan’ny kaominina sy mahavaha ny olan’ny fiarahamonina ny vinany. Manana drafitra momba ny fanajariana sy ny fitantanana ny tany. Eo koa ny fananana drafitra hiantohana ny fampandrosoana ny tanànany, anisan’izany ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Eo koa ny fahadiovana sy ny tsena…
Ankoatra izany, notsindrin’ny TI-IM fa tokony ho sahy mitsipaka marindrano ny kolikoly ka maneho izany amin’ny fihetsika sy ny fiteny. Nohitsin’izy ireo fa tokony ho nahatana ny teny nomena sy nahatanteraka asa mivaingana raha ben’ny Tanàna efa nitondra ilay kandidà. Nanatanteraka tatitra mazava, hitan’ny rehetra sy ara-potoana tamin’ny fe-potoam-piasany.
Etsy andaniny, tokony ho hita taratra kosa fa voafehiny ny andraikiny raha tsy mbola ben’ny Tanàna ilay kandidà. “Tokony hahafehy ny volavolan-dalàna itantanana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana”, hoy ihany ny TI-IM.
Synèse R.