INDRAY MIJERY

Hahazo vahana ny tsiokan’ny alizay manomboka anio. Hisy fidinany ny maripana ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoantany manontolo. Ankoatra izay, hisongadina ny fiakaran’ny maripana any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy. Eto Antananarivo, hahatratra 17°C ny maripana ambany indrindra, raha 28°C kosa ny ambony indrindra, ho an’ny anio.
Hotanterahina rahampitso ka hatramin’ny 24 oktobra eto amintsika ny fivoriana iraisan’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina momba ny VIH. Andiany faha-20 ny fivoriana ka i Madagasikara no handray ny mpivory eny amin’ny CCI Ivato. “Ny VIH aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny fiaraha-miasa ho an’ny faritra sy ny fivoarana ao anatin’ny ady” no lohahevitra.
Nikarakara hetsika lehibe ho fanentanana momba ny fanoherana ireo fanararaotana ara-nofo ataon’ireo olom-pady amin’ireo zaza manana fahasembanana ny rantsan’ny Autisme Madagascar tao Diana. Manampahefana maro no tonga nanamafy sy nanohana ny hetsika nandritra izany. Tanjona ny hampirisihana ireo iharan’ny fanararaotana ara-nofo hitoroka eny anivon’ny manampahefana. Tsy azo ekena ary faizin’ny lalàna manan-kery eto amin’ny firenena ny fanararaotana ara-nofo mihatra amin’ny zaza, indrindra fa tra-pahasembanana.
Miakatra sahady ny rano eny amin’ny toerana iva vao nirotsaka ny orana ny faran’ny herinandro teo. Mitobaka eny amin’ny arabe avokoa ny fako tany amin’ny lakandrano eto an-dRenivohitra nentin’ny riaka vokatry ny rotsakorana.

Partager sur: