Karate – « Mada 2024 » : Haseho any Toliara ny hasin’ ny taranja karate

Hotanterahina any Toliara, ny 30 oktobra hatramin’ny 3 novambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Karaté, ho an’ny taona 2024. Tsy fifaninanana nasionaly ihany no hitranga amin’io fotoana io fa haseho izany “Art Martial Karaté-Do” izany, ham­pisongadinana ny hasin’ny taranja, araka ny fanazavan’ny filohan’ny FKM (Fede­rasiona ny Karate-Do Mala­gasy), Ratefinanahary Emile. Ligy 18: Anosy-Androy-Atsimo Andrefana-Ihorombe-Atsimo Atsinanana-Fitovinany-Vato­vavy-Matsiatra Ambony-Amo­ron’i Mania-Vakinanka­ratra-Menabe-Boeny-Betsiboka-Analamanga-Alaotra Man­goro-Atsinanana-Analanjirofo-Diana, miampy ny COSPN, Cosfa ary ny mpiandry fonja no hifaninana mandritra ity fifaninanam-pirenena ity. Ny 31 oktobra izao kosa vao fantatra ny isan’ny mpikatroka, raha ny fanazavana hatrany. Araka ny fandaharam-potoana, andran’asa sy fiofanana no hatao mandritra ny 2 andro, ny 30 sy 31 oktobra, ka hisitraka izany ny mpitsara sy ny mpanazatra ary ireo mpndraharaha. Ho hita ao anatin’izany koa ny fifampizarana traikefa eo amin’ny teknika sy fampiakarana grady. Hatao ny 31 oktobra ihany koa ny antsapaka sy ny fivoriamben’ny FKL ary 1 sy 2 novambra no hanaovana ny fifaninanana, eo amin’ny sokajy Cadet, Junior, Senior Kumité sy Kata.

Mi.Raz

Partager sur: