Nahasarika mpankafy maro ny seho natolotr’i Lalatiana sy ireo mpitendriny, omaly. Nankafizin’ny maro ny seho tony dia tony sy milanto.
Tontosa omaly, tetsy
amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina, ny seho nataon’i Lalatiana. Fampisehoana tokana nataony eto an-tanindrazana taorian’ny fotoana ela tsy nahatazanana azy. Tonga maro nanatrika ireo mpankafy satria feno tanteraka ny toerana. Samy nankafy sy hita teny an-toerana avokoa na ny olon-dehibe na ny tanora. Fampisehoana miavaka tamin’ny filantolanton’ny feo sy ny hakanton’ny hira no tsapan’ny maro nandritra izany. “Tony sy nilanto tao anatin’ny fankafizan’ny maro ny mozika natolony ireo mpankafy teny an-toerana ka anisan’ny nandrisika ny maro hanatrika izany”, hoy ireo mpankafy nanontaniana. Nanomboka tamin’ny 03 ora
tolakandro, nifarana tamin’ny 5 ora latsaka ny fizarana voalohany. Maro ny hira tsy afaka am-bava sy nankafizin’ny maro tamin’izany, toy ny “Masoandron’ny fitia”, “Faniriana”, “Vavaka”, “Soamiangaly”, “Avereno”… Nisy ireo vahiny tsy nampoizina nandray anjara tamin’ny fampiaraham-peo tamin’ity mpanakanto ity tamin’ny fizarana faharoa. “Ianao namako”, “Misy antony”, “Tsiaro anao”, “Indray andro any”, “Ny nandaozanao ahy”, “Ifonako”, “Todim-pitia” ary “Devoly sady anjely”, santionan’ireo hira nalahatra teny an-toerana.
Niavaka tamin’ny fampiasana ny vita malagasy
Ankoatra ny fihirana ireo hira nampiavaka sy nahafantaran’ny maro azy, nandravaka ny seho ny fampisehoana an-tsary ny votoatin’ny tononkira. “Anisan’ny nambabo ny mpankafy ihany koa ny fampiainana ny tononkira amin’ny zava-misy iainan’ny olona amin’izao fotoana”, hoy hatrany ny mpankafy nanontaniana. Ankoatra izay, “amin’ny maha Malagasy mpanakanto an’i Lalatiana, nampiasa ireo zavatra vita malagasy teny an-tsehatra izy. Vokatra malagasy avokoa ny akanjo rehetra anaovako sy ny zavatra ampiasaiko eny ambony sehatra mba hanandratana ny maha Malagasy”, hoy izy teny an-tsehatra. Nanao ny akanjo tohitena mainty nampiana amboniny fotsy izy nandritra ny seho voalohany. Niara-niasa tamin’ny fanatontosana sy fikararakarana ny fampisehoana ny mi’Ritsoka Pro¬duction.
Mino