TARATRY ny KANTO

Hosokafana ny 22 oktobra izao ny « Heri­nandron’ny Havàtsa-Upem ». Nomena lohahevitra tsirairay ny andro mandritra io hetsika fanao isan-taona io. Talata Manomboka, Alarobia Miverina, alakamisy Manavàtsa, zoma Misampana, ary sabotsy manan-tantara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana koa ny fampirantiana, fanehoana ireo boky vaovao, serasera mivantana amin’ireo mpanoratra ankehitriny.

Manitatra ny fikarohana sy ny fampianarana zavakanto sy kolontsaina ao aminy ny foibe «Valiha Académie». Fantatra ny faran’ny herinandro teo fa hisy ny fampianarana kabary ho an’ireo tanora eo anivon’ izany foibe izany, hotanterahina tsy ho ela. Nambaran’ ny tomponandraikitra fa «anisan’ny dingana izoran’ny Valiha Académie ny hanasongadina ny kolontsaina malagasy eto an-toerana sy hitondra izany hatrany ivelany».

Tontolon’ny majia, mahasarika tanora maro ny fampisehoana mahakasika azy io eto Madagasikara. Nisy ny fampisehoana nentin’ireo Magic Squad tetsy amin’ny IFM Analakely, ny sabotsy teo. Fotoana nampisehoany ny maha izy azy ireo amin’io sehatra iray io. Tafiditra indrindra ao anantin’ny hetsika «Focus Fantasia» ny fampisehoana natao. Amin’ny ankapobeny, ny fahaizana mampiasa ny hakingan-tanana ny tena fototry ny tontolon’ny majia, raha ny fanazavana voaray.

Partager sur: