Naiditra am-ponja vonjimaika ao Mahajanga ireo Malagasy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana kosa ny teratany maorisianina iray tratra niaraka tamin’izy roa lahy ireo. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Mahabibo (CSP2) sy ireo sampana miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao Mahajanga, ny alakamisy teo, izy telo lahy ireo, niaraka tamin’ny fonosan-drongony miisa 124. Teratany maorisianina ny iray amin’izy ireo ka teo amin’ny Village touristique no nahasamborana azy. Niroso tamin’ny fisavana ny tranony ny polisy ka « marijuana » miisa 26 fonosana no hita tao an-tranony. Tao amin’ny fokontany Antanambao Sotema kosa no tratra ny teratany malagasy roa lahy nivarotra rongony. Fonosan-drongony 98 no hita tao amin’izy roa lahy, nafenina tao anaty gony. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
J.C