Saron’ny zandary tao Antsirabe, ny sabotsy teo, ireo tambajotran-jiolahy mpanao menaka hosoka. Nivahiny tao amina trano fandraisam-bahiny iray ao Vatofotsy izy ireo. Nahazo loharanom-baovao mialoha momba azy ireo ny zandary ka nidina tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny menaka hosoka 600 litatra natao tanaty bidon mavo miisa 30.
Fasana dimy indray vaky tao Antanimalandy, distrikan’i Mahajanga II, ny sabotsy teo. Hatairana ny an’ireo fianakaviana tompom-pasana nahita ireo fasana efa nolavahan’ny olon-dratsy. Nikorontana avokoa ny taolambalo rehetra. Ny an’ireo tompom-pasana hafa lavaka iray ihany no nisokiran’ireo olona ny taolana. Mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.