ZDS : Kaomandy vaovao ny Kly Ratolojanahary

Tsy faritra mena intsony fa nahitana fihenana ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra Bongolava izay nanjakan’ny asan-dahalo teo aloha noho ny fampandriana fahalemana iarahan’ny hery fiarovana sy filaminana. Notanterahina ny zoma teo, tao amin’ny Kianja manara-penitra Tsiroanomandidy, ny fandraisam-pibaikoan’ny kaomandin’ny Fari-piarovana sy ny filaminana (ZDS) Tsiafajavona, ny Kly Ratolojanahary Johnson Bernard, avy ao amin’ny andiany iraisam-piadiana faha-11. Efa nitazona andraikitra maro teo anivon’ny fibaikoana ny Tafika Malagasy izy mialoha ny nanendrena azy ho eo amin’io toerana io. Fari-piarovana lehibe indrindra amin’ireo ZDS 10 ny ZDS Tsiafajavona ka hitohy hatrany ny asa fampandriana fahalemana atao hanatrarana ny Politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny filaminana maharitra eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin.

Jean Claude

Partager sur: